• Fampianarana

    Misehatra taranja maro ary marolafy ny zana-tsampana LLandDev ary mandalina ireo olana isan-karazany mikasika ny fitantanana ny tontolo iainana, ny loharanon- karena voajanahary ary ny fiarovana ny fisahananasa (tany, rano, karazanjava- manan’aina, sns.). Manolotra fiofanana miompana amin’ny tontolo iainana simba izy izay mahakasika sehatra maro samihafa manomboka amin'ny famakafakana ireo singam-pamantarana fizika sy simika, ny fandinihana ireo singan’ny fampandrosoana maharitra (ara-tsôsialy sy ara-toekarena) ary mipaka hatrany amin’ny fampiasàna ny fomba fahaizandrafitra sy lafitany ijerena izay mety hoavin’ireo tany rehetra (n)ampiasaina.

    Ireo taranjam-pampianarana ihany koa dia mandinika ireo fanombanana ara- toekarena ny harena voajanahary mba hampivelatra ny fahaiza-manao entina andrafetana ireo soridalam-pirenena mikasika ny fahasimban’ny loharanonkarena voajanahary sy ho fampiroboroboana ny fitantanana maharitra azy ireo. Tafiditra ao anatin'izany ny fahatakarana ireo dingana samihafa fandrafetana ny paikady maharitra mba anohanana ny filan'ireo vondrom-piarahamonina samihafa.

Tanjona

Ny zana-tsampana dia manofana ireo mpianatra ho tonga manam-pahaizana ambony momba ny Fitantanana ny Tany ka afaka manao fitiliana (famakafakana ny zava-misy taloha sy ankehitriny), afaka manavao sy manao fikarohana ary mitady valiny mihatra avy hatrany amin’ireo olana misy mikasika ny fahasimban’ny tany.

Votoantiny

  • Votoaty ara-teorika sy fisaintsainana momba ny tontolo iainana

    Fanombanana ara-toe-karena ny harena voajanahary sy ireo maripandrefesana ny toe-karena

    • -Toe-karena ara-haivoahary
    • -Toe-karena ara-tontolo iainana

    Fifehezana ireo fitaovana entina mandalina, maneho ary mitantanana ny faritra ary koa ny fahazoana vaovao momba ny tontolo iainana, ny fanodinana ireo angona ary ny fetran’izany

    • -Teknikam-pametarana
    • -SIG
    • -Remote sensing
    • -Fandrefesana lavitra
    • -Fidinana ifotony
    • -Angon-kevitra sy Tahirin-kevitra
    • -fanaovan-tsary tombana
    • -...

    Fahalalana ny fivoaran’ny endrin-tontolo

    • -Fizotra
    • -Fivoarana / Fiovana
    • -Krizy
    • -Fanovana
    • -Fomba fitrandrahana
    • -Fomba fandrefesana sy famakafakana
    • -...

    Fitantanana sy fanarenana ny tontolo iainana ankehitriny

    • -Rafitra mifehy
    • -Politika
    • -Drafitra
    • -Vinavina
    • -Fitiliana
    • -Fitantanana ny loharanon-karena fizika sy tsy azo tsapain-tanana
    • -...

Ireo (sokajin’olona) kendrena

Ny zana-tsampana dia mikendry ireo mpianatra ao amin’ny kilasy M1, sampana Ala sy Tontolo Iainana na ireo manana mari-pahaizana mitovy amin'izany ka voasarika amin'ny asa fitantanana sy fampiasana ny tany ary koa ny fiantraikany amin'ny fampandrosoana.

Anisan’izany koa ireo matihanina izay liana amin'ireto sehatra manaraka ireto:

  • Ny ady amin’ny fahasimban’ny tany
  • Harena sy fisahananasa tontolo iainana
  • Fanombanana ara-toe-karena ny harena voajanahary sy ny fisahananasa
  • Fitantanana ny endrin-tontolo

Fahalalana takiana mialoha

Ireo taranja rehetra ampianarina ao amin'ny Ambaratonga M1, Sampam- pampianarana Ala sy Tontolo Iainana (ESSA-Forêts) dia tsy maintsy ananana avokoa.

Fepetra fidirana

Mifanaraka amin'ny fomba fidirana fehezin'ny Sampam-pampianarana Ala sy Tontolo Iainana (ESSA-Forêts) no ifantenana ireo antontam-pangatahana avy amin’ireo mpianatra sy matihanina te hisitraka ny fampianarana.

Mpiketrika Mpikaroka

Ahafahan’ny mpianatra miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany, LLandDev dia manana laboratoara misy fitaovana avo lenta ahitàna vondrona roa: ny vondrona “Tany” izay anaovana famakafàna maro araka ny filana sy ny fikarohana atao ary ny vondrona mandalina ny endrin-tontolo sy ny fikirakirana, ny fandrefesana ny angontsary azo avy amin’ny zana bolana sy ny fampiasàna “drone”.