• LlandDev

    Land Landscape and Development Research Lab

  • LlandDev

    Land Landscape and Development Research Lab

Fandraisana


Tany, Endrin-tontolo sy Fandrosoana (Land, Landscape and Development) dia iray amin'ireo zana-tsampana misy ao amin'ny sekoly fampianarana ambony momba ny Siansa Injeniera, Siansa Agronomika sy Tontolo iainana izay nantsoina taloha hoe Sekoly Fampianarana ambony Siansa Agronomika (https://essagro.mg/main/), ambaratonga M2. Tafiditra ao anatin'ny Sampam-pampianarana Ala sy Tontolo Iainana (https://essaforets.wordpress.com/) izy fa mifantoka kokoa amin'ny fitantanana maharitra ny tany sy ny loharanon-karena voajanahary (harena sy fisahananasa) miainga any amin'ny fampiasana azy (toeram-pambolena, kijana, toerana malalaka, faritra an-drenivohitra, ...), ny fiovany sy ny fahasimbany araky ny fotoana sy ny faritra misy azy (fiovana, famadihana ny fampiasàna ny tany), ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena ka hatramin’ireo dingana mikasika ny fanarenana azy (marindrano sy maharitra).


Ho fanampin'ny fiofanana akademika iandraiketan’ireo Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka, LLandDev dia manao fikarohana samihafa mifantoka amin'ny fitantanana maharitra ny tany amin'ny alàlan'ny laboratoaram-pikarohana mitondra anarana mitovy aminy.





Tany

""Ny tany dia rafitra biolojika iray mamokatra izay ahitana ny nofontany, ny zava- maniry, ireo singa hafa, ary ny fizotry ny haivoahary sy ny fari-drano izay miasa ao anatin'izany rafitra izany" (UNCCD, 2017). Loharanon-karena voafetra izay manome tombontsoa maro ho an'ny fiaraha-monina ny tany. Mamatsy harena sy fisahanan’asa amin'ny alàlan'ny fanalefahana ny fiovan'ny toetr'andro, ny fifehezana ny famatsian-drano ary ny fanohanana ny famokarana sakafo. Misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahatsaram-piainan’ny mponina ny fahapotehan'ny tany, vokatry ny asan'olombelona. Ny saran’ny fahasimban’ny tany dia mahakasika ireo saranga sosialy rehetra kanefa ny fatiantoka ara-toe-karena ateraky ny fahaverezan’ireo fisahanan’asa dia tsy mitsahatra mitombo. Ny fahazoana tany dia manova ny velon-tenan’ny mponina eo antoerana izay tsy manana taratasy mazava mikasika ny fananan-tany. Mba ahafahana mitantana maharitra ny tany, ireo fepetra raisina dia tokony mifanaraka amin’ny tanjon’ny firenena sy ny tanjona iraisam-pirenena amin’ny sehatra isan-tsokajiny anatin’izany ny fanjarian-tsakafo, ny toetr’andro, ny karazan- java-manan’aina sy ny atiala, ankoatry ny hafa tsy voatanisa, ary koa tokony mandray anjara amin'ny tanjona fampandrosoana. Ny fananan-tany dia tsy maintsy voafaritra mazava tsara, voarakitra antsaritany, voaaro amin’ny alalan’ny fametrahana mazava tsara ireo fomba fampiasana ny tany ary tohanan'ny andrim- panjakana misahana ny fananan-tany. Tafiditra amin’ny fitantanana maharitra ny tany ny fambolena mahavokatra kokoa sy maharitra ; noho izany mitaky fiovana lehibe ny fomba fitantanana ny tany mba hiantoka ny fampiasana mahomby kokoa ireo loharanon-karena. Voakasik’izany ireo fampiharana sy fomba fanao isan-karazany toy ny fanatsaràna ary koa ny fanarenana amin'ny laoniny ireo tany simba.





  • ENDRIN-TONTOLO

    Faritana ho toy ny ambaratongam-pandaminana eo amin’ny rafitra haivoahary ny endrin-tontolo ary azo ampifandraisina amin'ireo ambaratonga samihafa misy eo amin’ny sahan-driaka. Ny mampiavaka azy dia ireo karazan-tsinga sy rafitra misy ao aminy izay mivoatra ahitàna ny fampiasana ny tany, ny harena sy fisahanan’asa (fambolena, asa avy amin’ny ala, fiarovana ny tany, famatsiana sy fitsinjarana rano, fikajiana ny zava- manan’aina samihafa, ny kijana, sns.). Ny fahasimban’ny endrin-tontolo dia vokatry ny tsy fitovizana eo amin’ny endrin- tontolo noraisina ho ohatra mazava , ampiasaina atao fanondro sady singa fandrefesana, sy ny endrin-tontolo niova na eo andalam-piovàna. Ny endrin-tontolo simba dia ireo izay tsy ahitan’ny mponina tombontsoa intsony noho izany tsy manana andraikitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izany no mahatonga azy ireny matetika anaovana drafi-panajariana arakaraky ny ambaratonga mety indrindra (firenena, faritra, ifotony). Ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fijerena ny anjara asan’ny endrin-tontolo amin’ny lafiny rehetra noho izany no imasoana mba hampifandanja ny filan'ny mponina sy ny maridrefin’ny endrin-tontolo, ary andinihina manokana ny toetry ny tany, ireo fampiasana ny tany, ny tinady ahafahany mamokatra araky ny tokony ho izy ny harena sy ny fisahanan’asa. Ny fanajariana ny tany dia manampy amin’ny fampahafantarana ireo fampiasana azy ka mahafeno tsara ny filan'ny olona sady mikajy ny tany, ny rano ary ny karazan- javamanan’aina ho an'ny taranaka ho avy.



FAMPANDROSOANA

"Ny fampandrosoana ny maha-olona dia dingana iray entina hanitarana ireo safidy omena ny olona. Ny fanitarana ny safidin'ny olona dia zary zava-misy taratry ny fampivelarana ny fahaiza-manaon'ny olombelona sy ny fomba fiasany (PNUD, 2010)”. Ny fahasimban'ny tany dia mitovy amin’ny fampihenana ny sanda ara-toekaren'ny tany sy ny fisahanan’asa an-tanety vokatry ny asan'ny olombelona na ny fivoaran'ireo fepetra fizika sy bilojika misy eo aminy. Ny fahaizan’ny olona misafidy, na dia voafetra ihany aza, dia mamela azy ireo hamolavola paikady mamokatra sy manavao, ka ny setrin’izay dia miseho ny fahaizany arakaraky ny tolotra misy. Maro sy azo atao ireo teknika sy fomba hanalefahana ny fahasimban’ny tany, anisan'izany ny fitantanana ireo loharanon- karena an-tanety (fampifandimbiasam-boly, fomba fitantanana ny kijàna na ny atiala, ny fandrindrana ny fampiasana ny tany), ny teknikam-pambolena ara-haivoahary mahavelona izay mikendry ny hampitombo ny vokatra mandritry ny fotoana maharitra, toy ny fikajiana ny tany sy ny rano, ary ny fitantanana ny kalitaon'ny tany, ny fanatsarana ny fananan-tany, ny teknika fiasàna ny tany. Ny fahatakarana ny hasarobidin'ny tany mba hitantanana azy tsaratsara kokoa dia ahafahana manitsy ny tsy fifandanjana mety hitranga eo amin'ny sanda ara-bola sy ny sanda ara-toekarenan'ny tany. Ilaina noho izany ny fepetra momba ny fitantanana maharitra ny tany sy ny famoronana loharanon-karena miampy sanda isan-karazany mba hanatrarana ny tanjon'ny fampandrosoana maharitra. Tsy ho tontosa ny fampandrosoana raha tsy mametraka ny olona, ho sady mpahazo tombontsoa no mpiasa, na isam-batan’olona na vondron’olona, ho ivon’ny hetsika rehetra ; fa ny fampiasam-bola dia natao ho an'ny olom-pirenena sy ny andrim- panjakana ary ny manampahefana dia sarotiny amin'ny mpifidy azy ary tompon'andraikitra amin'ny zavatra ataon’izy ireo.


Tetikasa fototra


  • Fanombanana ny fahaverezana sy fikorianan'ny nofon-tany vokatry ny afo / fampiharana ireo fomba fitantanana maharitra ny tany any amin'ny Faritra Boeny sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny rafim-pitantanana ny endrin-tontolo
  • Famakafakana ny paikady misy momba ny fahazoan-dalana, ny lalàna mikasika ny tany ary ny loharanon-karena voajanahary ao anatin'ny valan-javaboahary Ankarafantsika sy ny manodidina azy
  • Fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fitantanana ny afo eto Madagasikara eo amin'ny sehatra nasionaly sy isam-paritra
  • Fanamafisana ny fahaiza-manao ara-toe-karena mikasika ny fahasimban’ny tany: ny fiantraikan'ny afo eo amin'ny rafi-pambolena
Aroafo napetraka - 60km+
Tokantrano nampiana - 470+
Mpiandraikitra nahazo fiofanana - 12+
Fitaovana novokarina - 8+



Agroekolojia miaraka amin’ny ProSol

Ny “ProSol” na ny Fiarovana sy Fanarenana ny Tany ho fanatsarana ny fanjariantsakafo dia tetikasa notendren'ny Minisitera « Fédéral Allemand ». izay misahana ny Fiaraha-miasa ara- toekarena sy Fampandrosoana (BMZ) alemà. Ny tetikasa dia mikendry ny hampihatra fomba fiasa agroekolojika amin'ny ambaratonga lehibe ho an'ny fiarovana sy fanarenana ny tany maharitra manaraka ny fiovan’ny toetr’andro. Ny tetikasa “ProSilience” dia sehatra iray vatsian’ny mpiaramiombon’antoka maromaro dia ny Vondrona Eoropeana (EU) sy ny BMZ izay mikirakira ny programa ProSol maneran-tany nanomboka tamin'ny 2021, ary napetraky ny Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit GmbH (GIZ) any amin'ny firenena fito (07) dia i Benin, Burkina Faso, Etiopia, Kenya, Madagasikara, Tonizia ary India. Raha ny tetikasa ProSilience, ny tanjona manokana dia ny hanamafisana ny fifindran'ny agroeolojika mankany amin'ny rafitra ara-tsakafo maharitra any Afrika Subsaharianina (anisan'izany i Madagasikara).
Manoloana izany sy ireo asa izay hiandraiketany raha eto Madagasikara, ny tetikasa ProSol dia eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE) ary miara- miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana maharitra (MEDD). Miantsehatra amin’ny faritra roa: Boeny (Distrika 4 / Kaominina 13) sy Androy (Distrika 2 / Kaominina 10) ny tetikasa.


Mba hisian'ny fiantraikany maharitra, ny ProSol dia manome vokatra fahalalana amin'ny endrika isan-karazany, toy ny: bokikely, petan-drindrina ary horonan-tsary. Amin'ity fizarana ity, ny ProSol dia mizara amin'ny alalan'ireto horonan-tsary ireto: ny fanamboarana ranoka zezi-pako sy zezi-pako avy amin’ny tainkankana, fambolena amberivatry manaraka marindrano, fambolena anana sy legioma mampiasa zezi-pako, fambolena vary an-tanety mampiasa zezi-pako, ny fampivadiam-boly voamadinika sy legioma, “basket compost”, fambolena amberivatry voafefy, fambolena ranoray mucuna … mba hamolavolana paikady momba ireo fomba fanao tsara ny fambolena manaraka ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara.



Loharanon-kevitra fanampiny